top of page

 Service de Préparation à la Vie

Sampana miAHY ny Aina

S.AHY.A

FITSIPIKA ANATY

(Règlement Intérieur)

 

I. FAMENOANA NY TARATASY FIROTSAHANA

 

Misy taratasim-pirotsahana misy ny mombamomba ny mpikambana izay ahitana ny:

*Anarana sy fanampiny

*Daty sy toerana nahaterahana

*Laharan’ny karam-panondro

*Daty ary toerana nahazoana ny karam-panondro

   Ray

   Reny

   Adiresy feno

   Laharana finday

   Adiresy mailaka 

   Andraikitra anaty fikambanana

   Asa atao

   Fiofanana narahina

 Misy karatry ny mpikambana SPV SAHYA mifanandrify amin’io taratasim-pirotsahana io, izay ahitana ny ezaka ataon’ny tsirairay amin’ny famonjena ny fivorian’ny mpikambana.

 

II. NY BIRAO MPANATANTERAKA (bureau exécutif = exécutif regional)

 

1. Ny filoham-boninahitra

- Ny filoham-boninahitra no mpanorina sy miantoka ny fiainana ara-panahy ary ny lafiny ara-moralin’ny fikambanana.

- Anjarany ny mananatra, mampihatra ny fanitsiana ny mpikambana isaky ny misy ilàna izany;

- Izy koa no mpanolo-tsaina voalohany.

Ny mpanolon-tsaina dia miara-miasa akaiky amin’ny birao mpanatanteraka eo amin’ny lafiny rehetra.

 

2. Ny filoha

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;- Izy no miantso sy mitarika ny fivoriambe;

- Izy no mampiantso raha misy fivoriana tsy ara-potoana;

- Miantoka ny fahatratrarana ny tanjona sy ny tarigetra;

- Miahy ireo mpanatanteraka ao amin’ny faritra;

- Manentanana ny mpanolon-tsain’ny vondrona sy ny mpikatroka rehetra;

- Izy no mankatoa ny famoaham-bola aroson’ny mpitam-bola, manaraka ny drafitr’asa voasanda vidy sy voarafitra mialoha ary neken’ny komity misahana izany;

- Izy no mankatoa ny famoaham-bola aroson’ny mpitam-bola noho ny fahamaizana na noho ny antony manokana, izay hamarinin’ny filohan’ny faritra amin’ny “taratasy fanamarinana” (memorandum).

 

3. Ny filoha lefitra

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;

izay ambony vato manaraka ny filoha mpitarika no lany ho filoha lefitra amin’ny fifidianana;

- Manampy ny mpitan-tsoratra amin’ny asa iandraiketany;

- Ny andraikitry ny filoha lefitra dia voarakitra manontolo ao anaty SATA fototra.

 

4. Ny mpitan-tsoratra

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;

- Mandray an-tsoratra izay tapaka sy izay tatitry ny fivoriana rehetra miaraka amin’ny filoha lefitra;

- Izy no miandraikitra ny fampamenoana ny fisy firotsahana ho mpikambana SPV SAHYA, ny fisy fangatahana ho mpikambana isan-taona any amin’ny foibe sy ny fitsinjarana ny karatry ny mpikambana SPV SAHYA;

- Manaparitaka ny karazana fiantsoana rehetra sy ny tatitra isan-karazany;

- Manangona ny hevitra rehetra hotapahina, mialoha ny fivoriana, raha ilaina;

- Mitahiry ny antontan-taratasy sy ny taratasy dika mitovy rehetra, an’ny fikambanana.

 

5. Ny mpitam-bola

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;

- Mandray ny vola fanomezana sy ny latsakemboka, ary ireo vola avy amin’ny loharanom-bolan’ny fikambanana rehetra, ka mametraka izany any amin’ny banky;

- Manaraka ny fomba fiasan’ny SPV SAHYA mikasika ny fitantanam-bolan’ny fikambanana;

- Izy no mamoaka ny vola miaraka amin’ ny taratasy fanamarinana izany, misy ny fankatoavana mialohan’ny filoha;

- Mitana ny “bokim-bola”;

- Manatanteraka sy mandrafitra ny “jery tombana” mikasika ny fitantanam-bolan’ny fikambanana miaraka amin’ny komity mpanombana (comité technico-financier);

 

6. Ny mpitahiry ny fananan’ny fikambanana

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;

- Mikajy ireo fanomezana isan-karazany sy fananan’ny fikambanana rehetra manaraka ny toerana voatendry ho amin’izany;

- Mirakitra an-tsoratra ny fananan’ny fikambanana rehetra miaraka amin’ireo tondro manambara azy ireo isan-tsokajiny.

 

7. Ny mpanolon-tsaina

- Izy dia manolo-tena na voafidin’ny mpikambana tanaty fivoriana natokana hananganana birao;

- Ireo mpanolon-tsaina dia mpilatsaka an-tsitrapo hanao ny asa andrasana aminy;

- Izy ireo no antsoina hoe PTR “personnes témoins ressources” ;

- Miara-miasa hatrany amin’ny filoha manoloana ny filana fiofanan’ny mpikambana;

- Mpanamafy ny fahaiza-manao ara-panahin’ny mpikambana sy miahy azy amin’izany.

 

8. Ny mpiara-miasa amin’ny komity mpanatanteraka (exécutif regional)

- Afaka manendry mpiara-miasa mpanampy ireo mambra ao amin’ny komity;

- Manana mpiara-miasa akaiky ny komity mpanatanteraka dia ny filoham-boninahitra sy ny PTR ary ireo mpanolon-tsaina.

 

III. FANANGANANA BIRAO MPANATANTERAKA (bureau exécutif)

- Tanterahana amin’ny fotoana natokana hananganana ny birao mpanatanteraky ny faritra;

ny fivoriambe no manangana sy manova ny birao mpanatanteraka isaky ny telo taona: ahitana solon-tena telo isaky ny sampana;

- Raha sendra ny sampona tsy azo anoharana ny mpikambana anatin’ny birao mpanatanteraka dia ny lefitra na ny mpiara-miasa mpanampy no misolo azy ireo hatrany.

 

IV. NY FIVORIAN’NY BIRAO AVY AMIN’NY ZANA-TSAMPANA

- Mivory indray mandeha isan-taona isaky ny lasin’ny ho avy “camp de l’avenir” ny birao avy amin’ny zana-tsampana rehetra. Ao amin’ny foibe no hanaovana izany fivoriana izany;

- Mety hisy fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny birao mpanatanteraka.

 

V. FANDOAVANA LATSAK’EMBOKA

- Mizara roa ny latsak’emboky ny zana-tsampana: ny voalohany dia natokana handraisana anjara amin’ny lasin’ny ho avy, ny faharoa dia natokana handraisana anjara amin’ny fampandehanana ny fikambanana;

- Samy manomana ny fanangonana ara-bola ny isan-tsampana (latsak’emboka - hetsika) manaraka ny fe-potoana sy ny fepetra voafaritra ho amin’izany;

- Mialoha ny lasy (camp) dia samy mandrotsaka iray volana mialoha ny anjara saran-dasy avy ny sampana, manaraka ny fizarana voatsinjara, any amin’ny mpitam-bolan’ny faritra.

- Tsy mandray anjara amin’ny lasin’ny ho avy ny zana-tsampana tsy naha-efa ny anjara saran-dasiny natokana ho amin’izany.

 

VI. FITANTAM-BOLAN’NY SAMPANA SPV

- Ny sampana SPV tsirairay dia samy manana ny fidiram-bola mamatsy sy mampiodina ny toby isanisany;

- Ny zana-tsampana dia samy mitahiry sy mitantana ny volany arak’izay fidiram-bolany avy, manaraka ny fomba fitantanana mangarahara apetraky ny fikambanana SPV SAHYA foibe;

- Ny zana-tsampana dia tsy maintsy manao fanambarana ny fidiram-bolany sy mitatitra ny fitantanany azy manontolo amin’ny birao mpanatanteraka, manaraka ny fe-potoana voarindra ho amin’izany;

- Ny zana-tsampana SPV dia mety mahazo fanampiana avy amin’ny SPV SAHYA, manaraka ny fitsinjarana ara-drariny izay fanomezana azo;

- Ny zana-tsampana SPV tsy manaraka ny fepetra fitantanam-bola apetraky ny SPV SAHYA dia mijanona tsy ho mpikambana amin’ny SPV SAHYA ao aorian’ny fanamarinana nataon’ny filan-kevitry ny sampana.

 

VII. NY KOMITY MPANOMBANA NY TETIK’ASA SPV (comité technico-financier)

- Mpikambana anatin’ny komity mpandinika ny fandaharan’asa SPV ny mpiandraikitra ny faritra, ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpitam-bolan’ny SPV SAHYA;

- Mandinika ny fifanarahan’ny tetik’asa rehetra SPV voarafitry ny zana-tsampana amin’ny teny fanevan’ny SPV (ASA 7, and 42 – 47);

- Manana ny alàlana hanambara ny fankatoavana na tsia ny tetik’asa arafitry ny sampana sy ny zana-tsampana SPV;

- Manamarina ny fanekena ny tetik’asan’ny sampana sy ny zana-tsampana; hotanterahana manaraka ny drafitr’asa napetraka sy ny tarigetram-piainan’ny fikambanana;

- Manamarina ny fanekena ny tatitra ara-bola sy teknikan’ny sampana sy ny zana-tsampana rehetra.

 

VIII. FANOMEZANA HO AN’NY FIKAMBANANA SY NY ZANA-TSAMPANA SPV

- Ny fanomezana rehetra azon’ny fikambanana dia ny birao mpanatanteraka no manamarina sy manara-maso ny fampiasana azy;

- Ny fanomezana rehetra azon’ny sampana sy ny zana-tsampana SPV dia mila ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny faritra mialoha ary ampiasain’ny sampana na ny zana-tsampana voakasik’izany mifanaraka manontolo amin’ny drafitr’asa voasoritra sy neken’ny komity mpanombana.

 

IX. NY TENY FANEVAN’NY FIKAMBANANA SPV

- Ny mpikambana rehetra dia manaja mandrakariva ny teny fanevan’ny fikambanana amin’ny asa rehetra atao (Asan’ny Apostoly 2: 42-47);

- Ny fandikana ny teny fanevan’ny SPV amin’ny endriny samihafa dia mahatonga ny fahafoanan’ny maha-mpikambana ny zana-tsampana SPV voakasik’izany, aorian’ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitry ny faritra.

 

X. FANATANTERAHANA NY ADIDY

- Ny adidy rehetra atao mahakasika ny fanatanterahana sy fantrarana ny tarigetram-piainan’ny fikambana dia heverina mandritra ny lasin’asa isan-tsampana (camp de service);

- Any amin’ny lasin’asa no hanaovana atrik’asa (atelier) hanapahana ny asan’ny fikambanana isaky ny zana-tsampana;

- Mandray anjara amin’ny fanatanterahana io lasin’asa io avokoa ny zana-tsampana SPV rehetra.

- Tanterina sy atolotra ny birao mpanatanteraka ny lamin’asa voarindra isan-tsampana, manaraka ny fe-potoana voatondro ho amin’izany.

 

XI. FANAOVANA TSANGAM-BATO

- Ny sampana tsirairay dia mila manana tsangam-bato hiahiana ny fiainan’ny tanora sy ny mpiara-belona (fananganana ivon-toerana ara-kolontsaina, ara-pahasalamana, ara-panabeazana, ara-piofanana, ara-piarahamonina, arak’asa, ara-panatanjahan-tena…);

- Ezahana ny fiaraha-miasa amin’ireo “mpiara-miombon’antoka” na mpamatsy vola hanampy amin’ny fanantanterahina ny tsangam-bato isan-tsampana;

- Mifanakalo fahalalana, fahaiza-manao sy traik’efa ireo zana-tsampana SPV, ary miara-mijery ny fotoana mety hanatanterahana izany hatrany.

 

XII. FIARAHA-MIASA AMIN’NY MPIARA-MIOMBON’ANTOKA REHETRA

- Ny fandraisana ny tolotra fanampiana ny sampana sy ny zana-tsampana rehetra dia tsy maintsy hialohavan’ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny faritra ary voarakitra an-tsoratra hatrany;

- Ireo fanampiana mifandraika amin’ny teny fanevan’ny fikambanana no azo ekena hampandrosoana ny fikambanana;

- Ny fandraisana sy fampiasan’ny zana-tsampana fanampiana tsy nambara tamin’ny birao mpanatanteraka na fanampiana mifanohitra amin’ny tarigetram-piainan’ny fikambanana dia mitarika fanesorana ilay zana-tsampana tsy ho isan’ny SPV SAHYA.

 

(Association Sampana Miahy ny Aina) araky ny taratasy fananganana n° 373-PA/ANT/SPA/ASS tamin’ny 22 mars 2006,

bottom of page