top of page

TOKO IV : NY KARAZAN’OLONA AO

  • Noharian’Andriamanitra ho masina sy ho sambatra ny olombelona, ary nataony mitovy endrika aminy.

  • Safidy malalaka ho an’ny tsirairay ny manamasina ny tenany.

  • Samy nomen’Andriamanitra : fahasoavana, fanomezana tsy mitovy fa natao hifameno ny olombelona (I Kor 7,7) fa ny fanomezana ambony indrindra dia ny “Fitiavana”      (I Kor 13) natao hahasoa ny besinimaro (I Kor 13, 7)

  • Noho izany : samy manana ny maha-izy zay ireo manam-bady, na ireo manolon-tena mijanona ho mpitovo, na pretra, na ankizy.

  • Samy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra dieny ety an-tany tahaka ny any an-danitra, ary natao hifanompo, hifameno, hifanohana, hifananatra (I Kor 12, 7) mba hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana satria izay anjakan’ny fitiavana anjakan’Andriamanitra (I Jn 4, 15).

 

Ireo manambady :

Miaina ny fanoloran-tena tsy misy takalony mba ho nofo iray (Jen 2, 24 ) ao amin’I Kristy ny firaisana marina sy mafy orina.

Ho lalan’ny fanamasinan-tena sy ny fanasitranana anaty ny fiarahan’izy ireo mivavaka sy mitsaoka ny Sakramenta Masina manokana.

  • Miaina ny fahantrana :Sambatra ny mahantra am-panahy  fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra (Mt 5, 3)

  • Miaina ny fahadiovana ao an-tokan-trano :Mifanaja tanteraka tsy mifanjakazaka, toy ny tsy misy ny iray eo anatrehan’ny vadiny. Mitandro marina ny fifanekena tamin’ny Mariazy.

  • Miaina ny fanekena :Miaiky ny fiangonana toy ny nataon’I Kristy,  manaiky hatramin’ny fahafatesana fa tsy hivadika amin’ny fampanantenan’Andriamanitra satri mahatoky izy mba ho tena endrik’Andriamanitra fitiavana ao anatin’ny ankohonana sy ny Fiangonana.

 

Ny ankizy :

Fanomezana sarobidy ary harena avy amin’Andriamanitra ny zaza.

  • Adidy ny manabe sy mikolokolo azy ireo satria antoky ny ho avin’ny Fiangonana mba hitombo fahendrena sy fahasoavana (Lk 2, 40)

  • Nananan’I Kristy tombom-pitiavana manokana ny zaza. “Avelao hanantona ahy ny zaza” (Mk 10, 13-16) ary nofihininy (Mk 9, 35-36). Amin’ny fiderana nomena an’Andriamanitra azy ireo (Sal 8, 3). Amin’ny vavan’ny ankizy sy mbola minono no nanorenanao hery. Maro ny anatra azo raisin’ny olon-dehibe amin’ny ankizy : fahatokisana ny Ray aman-dReny, ny fahatsorana,…

 

Ireo manokan-tena :

Tsara ny mitoetra ho virjiny hoy I Masindahy Paoly, miahy ny momba ny Tompo ka mahafaly azy (I Kor 7,24 ;26; 32).

Tandindon’ny fiainana any an-danitra izy ireo, satria tsy misy mpampakatra sy ampakarina any, koa manana harem-pahasoavana sarobidy sady ilain’ny ankohonana izy ireo amin’ny fiankinany tanteraka amin’Andriamanitra (I Tim 4, 5) (Mt 19, 12).

 

Ny Pretra

Ireo Pretra dia mpisoron’ny Avo indrindra, voahosotra noho ny toe-piainana manokana sy ny fiofanana naharitra nataony izy ireo. Manana ny anjara toerany lehibe ao amin’ny fiangonana sy ny fikambanana. Raha sitrapon’I Tompo ka hisy Pretra any aoriana dia manao ny adidy maha mpiandry ondry tsara izy (Jn 10, 11). Tsy fidiana ho lahiben’ny fikambanana izy fa azo atao mpanolon-tsaina. Ary ho fahasoavan-dehibe ho an’ny ankohonana (Jn 14,14)

Marihina tsara fa hisy fandaminana amin’ny Eveka sy ny fikambanana ny toerana iasany.

 

A.Ny fomba fandraisana ny mpikambana

Ny olona manana faniriana hiditra ato amin’ny ankohonan’I Kristy mpanompo dia :

  • Vonona hanamasin-tena hitovy endrika amin’Andriamanitra (Jen 1, 26)

  • Hihezaka ho lavorary tahaka an’i Dada Andriamanitra (Mt 5,18)

  • Olona eto amin’izao tontolo izao fa tsy anisa’izao tontolo izao (Jn 17;16)

  • Manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina fa zanak’Andriamanitra fitiavana (Rom 8, 12-13)

  • Mba ho feno hafenoan’Andriamanitra (Efez 3, 18)

Ary raha miaina izany izy dia ho tanteraka aminy ny tenin’I Masindahy Paoly hoe : “Zavatra mbola tsy fandre ny sofina na mbola tsy tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia azy” (I Kor 2,9).

Koa raha misy te hiditra dia :

  • Hazavaina tsara aminy fa mamaly ny antson’i Kristy izy. Torak’izany koa ny tenin’andriamanitra niorenan’ilay fikambanana satria tsy mivadika Andriamanitra izay miantso : I Pierra 3, 19 ;  II Tim 2, 13 ;    II Tes 3,3

  • Hazavaina tsara aminy ny toe-panahy iainan’ny fikambanana. Manaraka izany dia miara-monina amin’ny ankohonana izay misy aloha mandritry ny herinandro na tapa-bolana, ka ireo zoky Ray aman-dReny no manara-maso aloha, raha hita fa manana toetra ilaina izy. Afaka mamerina matetika mandritry ny herintaona.

Aorian’izany vao manao taratasy fangatahana. Ary ireo zoky Ray aman-dReny no mandinika ny fangatahany ary tsara raha lazainy ao ny antony maha-tonga azy angataka hiditra ato amin’ny ankohonan’I Kristy mpanompo fa tsy any amin’ny fikambanana hafa na dia samy zanaky ny fiangonana  vatan’I Kristy aza ireny fikambanana ireny (Rom 12, 4-8)

Rehefa tena tapa-kevitra izy ireo aorian’ny 2 taona dia mangataka hanao ny Voady 1 na 2 izay tiany.

Rehefa feno efa-taona (4) dia mangataka hanao voady farany, ka ireo zoky Ray aman-dReny ao amin’ny foibe no manapa-kevitra na ho raisina ireo manao fangatahana na mbola miandry.

Mandritry izany fotoana rehetra izany dia mampiasa tena amin’ny fivavahana (I Tim IV, 8)

Apetraka amin’ny Tompo ny fiahiana (I Piera 5,7)

Andriamanitra no vonjy (Hebrio 13-16)

Ka hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’Andriamanitra ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo ary ho hoentanin’ny fahendrena rehetra ianareo ary ho entanin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo amin’ny salamo aman-kira fiderana mbamin’ny Tono-kira Masina (Kol 3, 16).

 

B.Ny fomba fifandraisana

  • Samy voaantso amin’ny fanamasinan-tena (Fil 2, 1-4) miray tanteraka amin’ny Eokaristia ireo mpikambana (I Kor 10, 16-17) miaina ny maha iray ao amin’Andriamanitra (Jn 17, 21)

  • Tahaka an’I Kristy sy Dada Andriamanitra (Jn 10, 30)

  • Mifankatia tahaka ny nitiavan’I Kristy antsika (Jn 15, 12) satria Tompo iray no iombonana (Rom 10, 12) koa samy mikatsaka ny fahamarinana (I Tim 6, 11)

Fomba iainana izany :

  • Manana ny toerana sy efitrano manokana ny fianakaviana mba hivelarana. Manana fotoana hihaonana manokana amin’ny fotoana hafa mba hivavaka, miara-misakafo, fotoana hiaraha-miala voly

  • Toy izany koa ireo mpitovo, na Pretra raha misy ao amin’ny ankohonana misy.

  • Misy fotoana iarahan’ny rehetra mivavaka, misakafo

  • Fehiny : Ao anatin’ny fiainana ny toe-panahin’ny ankohonana no iainana ny fomba fifandraisana amin’ny sokajin’olona rehetra vonton’ny AIN’I Kristy tonga mba hanompo. Mahafoy tena ho an’ny hafa noho ny fitiavana (Jn 15, 12-13) satria sambatra ny tia fihavanana fa antsoina hoe zanak’Andriamanitra (Mt 5,9) ary mba samy hitondra tena mendrika ny niantsoana azy avy (Rom 4, 1-6)

bottom of page