top of page

 

TOKO XI : FANOKAFANA SY FANAKATONANA TRANO

 

  • Manaiky ho iraka any ankohonan’I Kristy mpanompo

  • Mandeha mampianatra ny firenen-drehetra (Mt 28, 19)

  • Raha misy toerana hafa mangataka ny fikambanana mba hiasa any, fa indrindra ny eveka dia miara-mandinika ny Zoky Ray aman-dReny mpitantana, koa raha hita fa mifanarana amin’ny fanomezam-pahasoavana sahanin’ny fikambanana dia sokafana.

Fanakatonana:

Rehefa misy asa atao na fantatr’ireo Zoky ray aman-dReny fa misy toerana hafa ka mahazo tso-drano amin’ny Eveka dia ny fifankatiavana ihany no mibaiko (I Jn 4, 16)

Fialana:

Olona mamaly ny antson’Andriamanitra no miditra ao amin’ny fikambanana. Koa afaka miala an-tsitra-po ny mpikambana satria maro samihafa ny lalana hanamasinana ny tena ao amin’ny Fiangonan’I Kristy (Efez 2, 16)

Fanalana:

Raha misy mpikambana voatery esorina ny fikambanana dia azon’ny Zoky Ray aman-dReny no manila azy raha moimon-kevitra aminy ny mpanolo-tsaina.

bottom of page