top of page

TOKO VII : AMBARATONGA AMIN’NY FANOLORAN-TENA

 

Arakaraky ny fahamatoran’ny tsirairay amin’ny fiainany anaty ny AIN’I Kristy mpanompo (Jn 15, 4-5)

Ary ny fiainany ny toe-panahin’ny fikambanana

  • Toe-panahy fototra

  • Hevitry ny fantsika efatra

  • Fahaizany miara-miaina eo am-panompoana

  • Fiainam-bavaka

  • Fahazotoany mampivelatra ny maha-zanak’Andriamanitra ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana sns…

  • Ny faniriany hangetaheta an’Andriamanitra (Sal 42, 3)

Miankina amin’ireo no iakarana amin’ny dingana manaraka:

 

  • Voady voafetra ( 1 taona, 2 taona, …)

  • Voady farany

  •  

FOMBA SY TENY FANOLORAN-TENA

Hira :

  • Tenin’ny Eveka na Pretra :Andriamanitra dia fitiavana, ary mamaim-poana sy mandrakizay no itiavany antsika. Koa mino izany fitiavany mandrakizay izany ve ianao?

  • Valiny : Mino aho

 

  • Tenin’ny Eveka na Pretra :Tonga nofo I Kristy na dia Andriamanitra aza nietry tena ho mpanompo ka nahafoy ny Ainy teo ambonin’ny hazofijaliantsika mba hanavotra an’izao tontolo izao.Koa vonona hiaina ny fiainany ary hanaraka azy amin’ny asa fanompoana ve ianao?

  • Valiny : Vonona aho

 

  • Tenin’ny Eveka na Pretra :Tsy ilaozan-java-tsarotra sy manahirana ny maha-panompo. Koa manantena ny fanampian’I Kristy hatrany ve ianao eo am-panatanterahana ny adidinao?

  • Valiny : Manantena aho na dia tsy misy antenaina aza (Rom 4,18)

 

  • Tenin’ny Eveka na Pretra :Mitodika aminareo zoky mpanabe sy Ray aman-dReny ato amin’ny fikambanana aho. Rentsika teo ny fitiavan’Andriamanitra hanompo tahaka an’I Kristy ary fanantenany ny fanampian’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina azy. Koa araka ny fahitanareo azy mendrika hanao ny voady fanoloran-tena ve izy?

 

  • RaR : Araka ny  fiaraha-miasa niarahany taminay sy ny fampiofanana vitany sy ny fiainany ny fitsipi-piainan’ny fikambanana dia hitany fa vonona izy handa tena ka hanaraka an’I Kristy ary

    Mino an’I Kristy tonga nofo, nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona

    Hanompo amim-pitiavana mba ho voninahitr’Andriamanitra

    Hiray amin’ny Fiangonana

    Ary hialoka eo amin’ny Fo madion’I Maria

Araka ny hevitry ny Lakroa fantsika efatra (4) natambatra ho entiny fa handà tena izy ka hanaraka an’I Kristy.

  • Tenin’ny Eveka na Pretra :Ataovy ary ny fanoloran-tenanao eto anatrehan’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ary ny Fiangonana sy ireo Ray aman-dReny zoky ato amin’ny fikambanana.

Amin’ny anaran’ny ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Amen !

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitiavany ahy mandrakizay sy maimaim-poana :

Izaho Ra…………………………………………………………………………………….

Eto anatrehan’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina sy eto anatrehan’I Monsigneur dimbin’ny Apostoly (na Pretra) sy ianareo Ray aman-dReny ato amin’ny fikambanana sy ralahy sy anabavy ao amin’ny Tompo ato amin’ny Fiangonana dia manolo-tena ary manome toky fa :

  • Hanamasin-tena amin’ny fanarahana ny fiainan’I Kristy Tompo tonga olombelona nanompo, nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona.

  • Amim-pinoana sy fitiavana ary ao anatin’ny fanantenana no hanaovako an’izany mba ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

  • Manome toky fa tsy hisaraka na oviana na oviana amin’ny fiangonana vatan’I Kritsy reny sy mpampianatra

  • Ary eo ambany fiarovan’I Neny Masina Maria sy fialofana amin’ny fony madio indrindra no anaovako iazny adidy masina izany.

Mino aho fa ato amiko ny AIN’I Kristy mpanompo hatramin’ny Batemy. Koa mino fa hiaina amim-panetren-tena ny fitsipi-piainan’ny fikambanan’ny Ankohonan’I Kristy Mpanompo ka tsy manana harena afa-tsy I Kristy mpanompo.

Ka manao ny voadin’ny Fahantrana, Fahadiovana, ary Fanekena eo anatrehan’Andriamanitra ato anatin’ny fikambanana no hanatanterahako an’izany mandritra ny fotoana (voafetra na mandrakizay).

Ary mino ny fiombonan’ny olomasina aho ka manantena ny fanampian’ireo olomasina mpiaro ny fikambanana.

Mino ihany koa fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao (Lk 1, 37) ka ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra sy manatateraka ny asany (Jn 4, 34)

bottom of page