top of page

                TOKO III :    A) TOE-PANAHY FOTOTRA

            Mihary harena ao amin’Andriamanitra amin’ny fanompoana sy fifampizarana toy ny nataon’I Kristy tonga nofo ary nanompo izany no fototra fanorenana.

            Ny hevitr’Andriamanitra dia ny hiraisantsika AINA aminy izay fitiavana lavorary    (Jn 4,8) amin’ny alalan’ny Sakramenta dien’izao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

            Anisan’ny fiainantsika ny fitsaohana ny Sakramenta Masina tandindon’ny fitsaohana sy fiderana an’Andriamanitra miaraka amin’ny anjely sy ny olomasina rahatr’izay any an-danitra.

            Mino ny fiainan-ko avy sy ny fitsanganan-ko velona koa : ampiseho amin’ny fiainana ny hafaliana vokatry ny nandresen’I Kristy ny fahafatesana amin’ny fiderana azy isan’andro na inona na inona mitranga satria tia antsika Andriamanitra (Rom 8, 28 ; 35-39)

 

I Kristy no hany harena ary mahita ny endriny eo amin’ny mahantra (Mt 25, 40). Koa manolo-tena amin’i Kristy mpanompo (Jn 16, 13-17) ary miankina amin’ny herin’ny Fanahy Masina (2Tim 1,7) mba ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fanitarana ny fanjakany

 

            Derao I Dada Andriamanitra fitiavana

            Derao I Kristy Mpanompo

            Derao ny Fanahy Masina Mpankahery

Ankoatry ny Eokaristia dia zava-dehibe ny fiainam-bavaka, maraina ny hariva, ny tenin’Andriamanitra ary ny fanaovana sapile isan’andro.

   B) ANJARA TOERAN’NY EOKARISTIA

“Izaho no mofon’AINA ary ny mofo izay omeko dia nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”   (Jn 6, 48-54). Koa mino fa I Kristy nijaly sy maty ary nitsangan-kovelona no raisina ao amin’ny Eokaristia, ka tonga AINA hahazoana Hery hanompoana, ary ho zaraina tahaka azy ny fiainantsika mba hitondra fitiavana, famonjena sy fanantenana ho an’ny mpiara-belona. Koa dieny izao, dia efa manomboka ny fiainana mandrakizay (Jn 6, 59), tenin’ny Tompo izany, ary rehefa miteny izy dia manatanteraka. Amin’izay dia tonga sorona velona, masina sy ankasitrahany (Rom 12,1).

    D) ANJARA TOERAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Ny tenin’Andriamanitra dia mahatanteraka izay tiany ary mahatontosa izay namoahany azy” (Izaia 55,11).  Andriamanitra dia miasa amin’ny maha tenin’Andriamanitra azy. Raisina am-pinoana ny tenin’Andriamanitra, AINA sy FANAHY (Jn 6, 63), mamy (Sal 119, 103) ka tonga AINA ivelomana, tena manova ny fiainana ny tenin’Andriamanitra rehefa raisina amim-pitiavana sy an-tsitra-po, ka fanilo manazava ny dia hatrany (Sal 119, 105).

            Manana toerana lehibe ny fifampizarana ny tenin’Andriamanitra isan’andro ao amin’ny Ankohonana.

 

   E) ANJARA TOERAN’I MASINA MARIA

            Reny manam-pinoana sy be fitiavana ary notorotoroina tsy azon-keloka, ary fialofana I Neny Masina Maria, ka antsoina amin’ny vavaka iombonana isan’andro. Renin’Andriamanitra nefa feno fanetren-tena sy matoky tanteraka an’I Jesoa Tompo zanany : “Ataovy izay rehetra holazainy aminareo” (Jn 2, 5)

            Mangataka amin’ny alalany mba hanao ENY toa azy : “Inty aho ankizivavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1, 39)

            Rehefa manao ENY amin’ny antson’Andriamanitra eo anatrehan’ny zava-mitranga izay heverin’ny olombelona fa tsy misy zavatra azo atao intsony, dia tonga nofo ao amintsika Andriamanitra satria tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao (Lk 1, 35).

            “Ahoana no hahatongavan’izany fa tsy mahalala lahy aho” hoy I Masina Maria (Lk 1, 34). Vao miteny ny anjely, dia nino sy nanaiky izy, tsy nisy adihevitra.

            Manao “ENY” lalandava amin’ny antson’Andriamanitra sy ny iraka hampanaovin’Andriamanitra mba ho velona ao amitsika I Kristy Tompo (Gal 2, 20), tonga mba hanompo.

  F) NY HEVITRY NY FANTSIKA EFATRA (4) MAMORONA NY LAKROA

Ny fantsika dia mandratra, manindrona nefa koa manakambana zavatra. Mitondra fijaliana indaindray, nefa koa mitondra fahasoavana.

Hoy ny Tompo hoe : “Raha misy te-hanaraka ahy aoka izy handà tena”

 

1.Ny asa fanompoana dia firaiketana amin’I Kristy tonga nofo ary mpanompo, nefa nitsangan-kovelona

Isan’andro, dia mameno amin’ny vatantsika izay tsy ampy tamin’ny fijalian’I Kritsy (Kol 1, 24) mba ho fibebahan’ny mpanota.

“Efa namantsika ny nofony amam-pilan-dratsy tamin’ny hazofijalian’I Kristy, izay an’I Kristy” (Gal 5, 24)

Ary rehareha ny hazofijaliana (Gal 6, 14). Ka mino fa anisan’ny fihariana harena any an-danitra ny fanantenana fa miteraka fiainam-baovao ny fijaliana entina amim-pitiavana, tahaka an’I Kristy nijaly sy maty fa nitsangan-kovelona.

 

2.Fanompoana amim-pitiavana mba ho voninahitr’Andriamanitra

“Nitsangana teo am-pihinanana Izy… ary nanasa ny tongotry ny mpianany” (Jn 13, 4-5). Fanampin’io ohatra velona io, dia hoy koa izy hoe : “Ny zanak’olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro” (Mk 10,45). Izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo (Mk 10, 43).

            Ilay endrik’I Kritsy mpanompo izay banjinina isan’andro ary mahatsiaro noana sy mangetaheta (Sal 107, 9) ny AIN’I Kritsy Mpanompo

            Mba hitoetra amin’ny fitiavany (Jn 15-9) (Jn 17-26) ka afaka hilaza toa an’I Masindahy Paoly manao hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa I Kristy no velona ato amiko” (Gal 2, 20).

Ary eo am-panatanterahana ny asa amim-panetre-tena dia miaraka amin’I Jesoa manao hoe: “Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao” (Jn 12, 28)

 

 

3.Firaisana amin’ny fiangonana

Ny fiangonana vatan’I Kritsy ary izy no filohany (Efez 1,22) Mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra isika, ary I Kristy no vato fehizoro. Koa ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina antsika ho trano onenan’Andriamanitra (Efez 2, 19-22). Noho izany tsy afaka misaraka amin’ny fiangonana isika zanany, sady ao aminy ny loharanom-pamonjena ho an’izao tontolo izao. Tompo izay, finoana izay ary Batemy izay no mampiray antsika.

            Koa mifantsika amin’ny fiangonana Reny sy mpampianatra ho tena iray aminy ny mpokambana ao amin’ny ankohonan’I Kristy Mpanompo.

 

4.Fialofana amin’ny Fo madion’I Maria

Mbola tao Nazareta dia efa nanompo ny fianakaviana Masina I Masina Maria tamin’ny fanatanterahany ny asa andavan’andro. Azo lazaina, fa tao amin’ny Fo Madion’I Masina Maria no nakan’ny Fon’I Jesoa Masina nofo ary nahatonga azy niteny hoe: “Mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho dia hahita fihadanana ny fanahinareo” (Mt 11, 29).

Nandray anjara lehibe tamin’ny asam-pamonjena I Masina Marian ary nitondra ny mafy tokoa ny fanahiny miaraka amin’ny fony notanterahin-tsabatra (Lk 2, 35).

Niaritra ny mafy izy nahita ny zanany nijaly sy maty, nitrotro ny fatin’I Jesoa zanany teo ampototry ny hazofijaliana ary nandevina azy.

            Koa raha mialoka ao amin’ny Fo madion’I Masina Maria isika dia hahazo hery ka afaka hijaly amin’ny fahoriana (Rom 5,3).

Ary misy safidim-pitiavana avy amin’Andriamanitra miantefa amintsika, tsy takatry ny saintsika ny heviny. Koa raha manaiky ny safidy tahaka an’I Masina Maria isika dia hahita hafaliana, fiadanana ary ho feno fahatokisana an’Andriamanitra.

Ny fialofaana amin’io Fo Madion’I Masina Maria dia loharanon-kery ho entina manantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.

  G) VAVAKA IOMBONANA

Ry Dada Andriamanitra, noho ny soa azo tamin’ny namoizan’ny zanakao malalanao ny AINY: mba vonjeho izahay.

Manazava antsika I Kritsy Zanak’Andriamanitra velona, midera Anao sy misaotra Anao izahay noho ny nanomezanao anay an’ity ankohonana ity.

Ry havana, resin’I Kristy ny herin’ny maizina rehetra, resiny hatramin’ny fahafatesana.

Koa asandrato hatramin’ny farany ny fanevan’ny fitiavana, ndeha hifanampy sy hifanompo, fa Andriamantra tokana olona telo no herintsika.

Mino izahay, ry Tompo fa tsy hisy tsy hainao atao, koa mino izahay fa omenao anay izay mahasoa ny vatana amam-panahinay.

Mba omeo finoana, fitiavana sy fanantenana izahay mba hitiavanay Anao amin’ny herinay rehetra sy hanampianay ny namanay.

Mahefa ny zava-drehetra izahay ry Tompo, noho ianao mankahery anay.

Ry Jesoa zanak’Andriamanitra velona tonga mpanompo. Matoky Anao izahay.

Ho tonga anie ny fanjakan’I Dada Andriamanitra ary ho tanteraka anie ny sitrapony.

Ry Fo madion’I Maria, Renin’Andriamanitra sy mpanjakavanin’ny lanitra ary notorontoroina tsy azon-keloka ! Mivavaha ho anay.     AMEN ! ALELOIA !

bottom of page