top of page

NY HAFALIAKO

 

Faly aho androany

Fa tena tsara fahatongavana

Faly sy tsy hitomany

Feno hafaliana goavana

                        Oadray ‘zany hafaliako

                        Toy ny any am-paradisa

                        To izao ny faniriako

                        Ka dia miandry anao no sisa

Tsy iza fa ianao Jesoa

Ilay tiako hatramin’izay

Italahoako izay mahasoa

Ny fiainako rahatrizay

                        Hafaliana tsy omby tratra

                        Ny ato anatiko ato izany

                        Toy ny oram-batravatra

                        Mahalonaka ny tany

Hafaliana tsisy fetra

Mampihentana handihy

Ny hafalianay rehetra

Laina toa farihy

                        Manasa anao hiara-dia

                        Avia mba hiaraka aminay

                        Service de Préparation à la Vie

Io ilay fikambananay

 

Mpanoratra : Tahiry Mampionina

 

FIKAMBANANA SPV

 

Moramanga, tanana tsara

Nofidian’ny SPV

Ka izao no tiako hambara

Hafaliana lehibe

           

                        Fikambanana tena tiako

                        Tsara ho an’ny fiainako

                        Hafaliana tsy ariako

                        Amin’ny andro rehetra iainako

 

Hafaliana tsy mba lany

Ny ao amin’ny SPV SAHYA

Hodioviko hatrany

Ny fahaizako mitia

                       

                        Hotiaviko toy ny Fiangonana

                        Ny fiarahanay rehetra

                        Ilay Fikambanana iombonana

                        Mandrakizay tsy misy fetra

 

Ho fihiniko, tsy ariako

Fa tena mamiko indrindra

Ity Fikambanana ‘zay tiako

Dia ny SPV mirindra

bottom of page