top of page

NY TANORA SY NY FIFANKATIAVANA

  • Tanjona :

-Mieritreritra momba ny lanjan’ny fifankatiavana.
-Mamantatra ny endriky ny tena fifankatiavana.

  • 1- MIAINGA AMIN’NY FIAINANA ISIKA.

    • Fanentanana: Inona no eritreritro momba ny fifankatiavana?

Fiche:

    • Travail personnel

    • W de groupe : Manome famintinana ny hevitra.

    • Tt le monde.

  • Inona ny hevitra nisy ady hevitra be indrindra ? Nahoana ?

  • Inona avy no hevitra nitarika fiovana hevitra? Nahoana?

  • Inona avy ary ny toetry ny tena fifankatiavana?

 

  • Mitady ny tena fahazavana isika.

    • Ny lanjan’ny fifankatiavana.

“Ny olona iray te ho tena olona dia tokony hametraka ny fifankatiavana ho voalohan-daharana amin’ny fiainany”

  • Ny fifankatiavana dia filàna voajanahary mifandray amin’olona.

Ny olona dia tsy afaka miaina raha tsy misy namana. “On peut vivre sans frère mais non sans ami »

A – Inona no atao hoe fifankatiavana?

            Fa inona aloha ny tsy fifankatiavana?

  • Ny  Namana dia tsy ny mpifanolo-bodirindrina, olona mifankahafantatra fotsiny, izay ilazana teny iray na roa. Betsaka ny olona fantatsika fa tsy namantsika anefa.

  • Ny Namana dia tsy ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra izay tsy nofidintsika. Ireny olona ireny dia hitantsika any am-pianarana, am-piasana. Ny fifankahalalana eo dia voafetra amin’ny fahaizana miara-miaina ivelany fotsiny.

  • Ny Namana dia tsy olona iarahantsika mba hanalana andro Fa:

  • Ny fifankatiavana dia mihoatra noho ny fiaraha-miaina (Sympathie), fifandraisana tsindraindray, sy ivelany, sy ny hoe miaraka fotsiny.

  • Ny fifankatiavana dia mitaky fifandraisana lalina, mateza sy mandavan-taona, sy tena ifandraisana (olona 2)

 

Azo fintinina amin’ny teny efatra ny hoe fifankatiavana:

  • Ny fahalalana ny maha izy azy. (fifankahalalana)

  • Fifanomezana

  • Fifamenoana

  • Fahafoizana

  • Ny fifankatiavana dia mitaky ny fahalalana.

Ny mpinamana dia mifankahalala, manana tanjona iraisana, fihetsem-po mitovy.
“Raha ohatra eo amin’ny olona roa tsy misy afa-tsy, tsy fitovizana dia ho sarotra ny ifankatiavana”

  • Fifanomezana satria mitaky ny fizarana ny maha izy azy, ny antaony ary ny ananany. “Ny namana dia mizara amin’izao ny olany, ny fihetsem’pony, ny tiany, ny zavatra ahiany, ny alaelony sy ny hafaliany.” Ny fifankatiavana dia hoe: MANOME SY MANDRAY.

  • Fifamenoana: Ny tena mpinamana dia mifanampy sy mifameno. Ny namana dia manabe ny iray, mameno ny banga eo amin’ny iray.

  • Fahafoizana: Ny fitiavana manome, ny fanomezana sy ny fahafoizana. (sacrifiée)

“Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa, noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” Jn 15-13 

B – Ny lalana.

Ny fifankatiavana dia mila lalàna tokony arahana mba hahamafy azy. Inona avy ary izy ireo?

  • Fifanajana:      Fanajana        - ny maha izy ny namana sy ny tiana.

                                  - ny heviny, ny fihetsem-po, fihetsiny.
- ny fahalalahany amin’ny fifadiana ny endriky ny fanodikodinana.

Ny fifandraisana saro-piaro dia mariky ny tsy fanajana ny fahalalana.

  • Fahatokisana tanteraka: izay manome toetra mampahatoky ny namana mba hahatsiaro tena ho manana lanja izy. Raha tsy misy fahatokisana dia tsy misy fifankatiavana.

 

  • Fanomezana (Aristote) “Ny fifankatiavana dia mitaky fitiavana ny tsara ho an’ny namana avy amin’ny namana”

Ny fifankatiavana dia fanomezana ary dia tsy hita rehefa eo ny fitiavantena sy ny fanomezana fahafaham-po ny tena irery.

  • Fanekena ny hadisoana (kilema)

Tsy misy fifankatiavana raha tsy misy fanekena ny kilema sy fahavoazana (fahalavona) ny namana.
“Izay manao an-dolom-po sy manakiana foana ny namana dia tsy tena namana”

  • Fahatokisana. (fidelité)

Izay miaraka amin’ny namana na amin’ny ratsy na amin’ny tsara.
Ny tena namana dia hitanao ao anatin’ny fifandirana. Ex c

  • Fivelarana.

Ny fifankatiavana tsy hoe tsiambaratelo fa mivelatra ho an’ny olona rehetra (fianakaviana. Etc..)

  • Famoronana sy fitandremana.

“Ny tena fifankatiavana dia miteraka hevitra, fahaizana mamantatra mialoha ny tian’ilay namana, fahaizana mandanjalanja ny fahanginana sy ny firesahana; fahaizana mamantatra hoe rahaoviana no tokony hampionona amin’ny teny na fiarahana tsotra izao”
Betsaka ny fifankatiavana izay miafara amin’ny tsy fitandremana sy fahasorenana.

            Ny trano tsy tsara fototra dia mora mirodana. Toy izany koa ny fifankatiavana, raha tsy eo ireo fototra ireo, dia rava ho azy ny fifankatiavana.

 

C – “Jesoa no fitiavana”

Jesoa no naneho voalohany ny fifankatiavana. Izy dia nanana Namana: Lazara, Marta, Maria, Apostoly,..
Ny evanjely dia manamarika ireto endrika ireto momba ny fifankatiavany tamin’ireo olona ireo.

  • Ny fitiavana manokana.

Amin’ireo Apostoly dia tiany kokoa i Piera, Joany, Zaka.
Ireo dia izay nanaraka azy tamin’ny fotoana lehibe teo amin’ny fiainana. Joany, zandriny indrindra tamin’ny mpianatra: “Ilay mpianatra malalan’ny Tompo” (Jean 20; 2)

  • Ny (fananana) fifantohana.

Jesoa dia miaino tsara ny namana, manahy ny amin’ny ainy sy ny olany izy: Marc 6; 31

  • Fandraisana anjara.

Jesoa dia mizara amin’izy ireo ny tsy ambaratelon’ny Rainy. Joany 15; 15

  • Famelana heloka.

Mahazo tsara ny namany I Jesoa ary mamela ny helony
Namela an’I Piera izy Lioka 22; 61
Maria Madelaine Lioka 7; 39

  • Fahafoizana tanteraka.

Jesoa dia nanome ny ainy ho an’ny namany. Joany 15; 13
Jesoa ilay nofantsihana dia naneho fa ny fifankatiavana dia fahafoizana tanteraka.

NDEHA ARY ISIKA HIARA-HIFANOME TOKY

Inona avy ary no tokony hataontsika mba hanamafisana ny fifankatiavantsika?
Inona avy ny zavatra tokony hovantsika eo amin’ny fifandraisana amin’ny namana?

  • Phrase Biblique

  • Temoinage

  • Chanson. Tsara raha ny mpirahalahy no mahay mifankatia.

bottom of page