top of page

     TOKO II : TANTARA NIORENANY

A.Tsiahy fohy ny faha-zaza

            Ambara amim-panetre-tena, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao anay    (I Kor 5, 10), ary azo lazaina fa manana ny fotoany tokoa Andriamanitra. Fitiavana mandrakizay no itiaan’Andriamanitra antsika (Jer 31, 3). Koa raha mitodika kely amin’ny fiainana faha-zaza dia toy izao no azo ambara :

            Novolavolaina tao amin’ny fikambanana masina isan-karazanany : IRAKA, V.K, TAMPIKRI. Tamin’izany fotoana izany dia tsy natao ambanin-javatra ny famangiana an’i Kristy velona ao amin’ny Sakramenta Masina. Nanamboatra Lagroty eny an-tsaha rehefa tsy mianatra, ary dia nitsiry ao am-po ny fitiavana an’i Neny Masina Maria tsy nahafohy.

            Masina tokoa ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “Anaka aoka tsy hiala eo imasonao fa tano ny fahendrena amam-pisainana, fa aina ho an’ny fanahinao izany ary haingo” (Ohab 3, 21-22)

 

Ary tonga mpampandalim-pinoana (catéchète)

  • Vaomieran’ny fandalinam-pinoana,

  • Fahamarinana sy fiadanana (Justice et paix)

  • Komity Pastoraly

  • Fianakaviana

  • Sns…

« Mijoroa amin’ny lalana rehetra handidiako anareo dia ho sambatra ianareo » (Jer 7, 23)

Ary hampahafantarina ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno eo anatrehan’ny tavanao, hafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana (Sal 16-11)

Tsy ilaozan-java manahirana moa ny fiainana, koa dia matoky mandrakariva ny Tompo tsy mba mivadika.

“Na mamaky lohasaha maizina aza aho tsy matahotra izay loza, satria ianao no miaraka amiko” (Sal 23, 4)

B.Ny nahatonga iara-monina

Nanao fihatahana masina ny mpanabe zaza kamboty tao amin’ny vohi jaza AINA ao Fenoarivo tamin’ny 3 Avril 1992. Ny tenin’Andrialanitra nodinihina tamin’io andro io dia tao amin’ny bokin’Izaia mpaminany manao hoe “Na dia hanadino ny zanany azan y reny, izaho tsy hanadino anao” (Izaia 49 15). Rehefa tonga tany an-trano izahay, dia nahita an’I Rivoniaina, nentin’ny vehivavy roa teo am-baravarana fa hoe nilaozan’ny reniny. Nanaiky hanampy ny mpiara-mivavaka iray ka nanomboka niara-monina satria efatra (4) taona vao raisin’ny Vohi-jaza ny zaza. Niainana ny tenin’Andriamanitra ; “Mihary rakitra an-danitra amin’ny fanompoana ny namana” (Lk 12, 3-34 sy Jn 13, 4-5;14).

Tamin’ny Alakamisy Masina 8 Avril 1993 taorian’ny Sorona Masina no nahazoana ny tso-drano am-bava avy amin’ny Cardinal Victor Razafimahatratra manao hoe: “Ataovy àry fa tsy manakana aho”. Hoy koa Mgr Randriambololona Philibert : “Raha asan’Andriamanitra dia tsy hisy hahasakana”.

            Ary raha voatendry I Mgr Felix Ramananarivo dia izao no teniny teny Ambatoroka : “Tsy hitako izay antony tsy ioerenan’ny fikambanana any amin’ny Diosezy”.

            Isaorana manokana I Tompokolahy Mompera Théodore Olsen (s.j) izay namporisika sy nanoro hevitra hatramin’ny voalohany. Mahatsiaro am-bavaka anie izy izay any an-danitra any. Isaorana ihany koa ireo namana, pretra Ramananarivo nanampy tamin’ny fandavorariana ny toe-panahy. Ny fanaovan-tsoa dia toy ny saha mahavokatra, ary ny asa fiantrana dia hotsarovana  mandrakizay (Siràka 40, 17)

Daty :

Juillet 1993 : nisy taty amin’ny Diosezy Antsirabe

Janvier 1997 : niaraka

Ho an’Andriamanitra ny dera sy Laza ary ny Voninahitra Mandrakizay.

bottom of page