


TOKO V : FIOFANANA
1.Fiofanana fototra iombonana
Atao tsapan’ny mpikambana tsara ny vokatry ny tenin’Andriamanitra (Mk 10, 45 ; Lk 12, 31-34 ; Jn 13, 3-4 ; 14) fototra niorenan’ny fikambanana.
Ary ny vokatr’izany ao amin’ny fiainany mba hahavitany ny asa fanompoana anirahan’I Kristy azy.
-
Mba ho afaka hanompo dia mahafoy tena toy ny nataon’I Kristy “Izay tia ny AINY no hahavery azy, izay mankahala ny AINY amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ny amin’ny fiainana mandrakizay (Jn 12, 25 ; Lk 9, 23) na velona na maty dia ho an’ny Tompo (Rom 14, 8)”
-
Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakan’I Kristy (Jo 18, 38)
-
Atao vaindohan-draharaha ny fampianarana hijoro ho vavolombelona amim-paharetana (Mt 5, 13-19) tsy fiderantena ny fijoroana ho vavolombelona fa mba hizarana amin’ny hafa ny fahasoavana azo tamin’ny tompo (Mt 5, 13-19 ; Mt 10, 33) izay rehetra manaiky ahy eo anatrehan’ny olona.
-
Ny fanetren-tena lalina (fil 2, 5-11)
-
Mpanompo tsy ilaina izahay (Lk 17, 9)
-
Manetry tena ho sambatra (Lk 14, 11)
-
Fandalinana ny fiainam-bavaka, ny fahaizana mifampihaino, ny mifanakalo hevitra, ny fahafoizana noho I Kritsy ny harena
-
I Dada Andriamanitra no hanome voninahitra (Jo 12, 28) Iaveh manome fahasoavana izay mietry tena (Ohab 3, 34)
2.Fanampiny ho an’ireo manan-tokan-trano
Zava-dehibe ny fandalinana ny maha-nofo iray ny mpivady (Jen 2, 24) mba hanjakan’ny fifanoloran-tena marina sy ny fanamasinan-tena.
Firaisam-po sy firaisan-tsaina mba ho vavolombelon’ny fitiavana an’I Kristy ao amin’ny ankohonana sy ny fiangonana.
Fampianarana momba ny fahaizana manabe ny zanaka
3.Fanampiny ho an’ireo manolon-tena
Misy fiofanana fanampiny araka ny maha izy azy ireo manokana araka ny toerana niantsoana azy (I Kor 7, 24)
Fandalinana ny voady telo : Fahadiovana – Fanekena – Fahantrana
Afaka miaraka amin’ny fikambanana hafa raha ilaina ny ianarana ny taranja sasany iombonana.