top of page

TOKO IX : FOMBA FIVELOMANA / FANANANA

 

Ireo mpikambana ao amin’ny Ankohonan’I Kristy Mpanompo dia miombom-pananana toy ny nataon’ny Kristianina voalohany (Asa 2, 42-47)

Mino sy manaiky fa I Kristy no hany harena (Lk 12, 33-44)

Nefa mbola olombelona manana ny filany koa mangataka aminy ny hanina ilaina (Ohab 30, 7-9)

Fomba fivelomana:

  • Ny olombelona mivelatra amin’ny lafiny rehetra no voninahitr’Andriamanitra koa adidin’ny tsirairay no mampitombo ny talenta (Mt 25, 19-35) efa ananany mba ahafahany manampy sy miantoka ny fivelomana nefa matoky tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy manary na oviana na oviana. Mandray ny fanampiana avy amin’ireo mpanao soa.

  • Ireo voaray ka manao voady no afaka manome ny ampahan’ny fananany ho an’ny ankohonana satria raha sanatria ka misy faharavany ny fikambanana dia atolotra ho an’ireo fikambanana Katolika mpanao asa soa ny fananany.

  • Izao miala an-tsitra-po dia mamela ho an’ny Ankohonan’I Kristy Mpanompo efa nafoiny.

  • Ireo mpikambana miasa mivantana ho an’ny ankohonana dia iantohan’ny mpikambana.

  • Misy mpitam-bola isaky ny ankohonana. Any aminy no mangataka izay ilain’ny mpikambana. Ary aseho ny lehibe arak’izay fotoana ilainy azy ny fitantanana.

  • Raha misy provinsy aoriana dia tokony hisy mpitam-bola provinsialy, jeneraly.

Miaina ny fahantrana ny ankohonana nefa tokony tsinjovina mialoha ny ankizy, ny zavatra ilainy, ny fianarany, ny fanafody, sns…

“Fa Andriamanitra kosa no nanome ny hery hampombainy voninahitra ao amin’I Kristy Jesoa” (Fil 4, 19)

bottom of page