top of page

Andininy fahadimy : Ny fananana sy ny vola – ny fampiasana sy ny fitantanana

5.1 –    Ny loharano fidiram-bola sy ny fananan’ny sampana dia avy amin’ny :
-  Ny Latsak’emboka sy ny  sandan’ny herim-pon’ny mpikambana vokatry ny asa niofanany ampivelarana ny maha-olona,

                        -  Ny fanomezana samihafa atolotry ny mpikambana antsitra-po,

-  Ny vola azo avy amin’ny fanohanan’ny malala-tànana nahazoana alalana,

-  Ny hetsika fitadiavam-bola.

 

5.2 –    Ny vola azo dia entina anatanterahana ny tarigetran’ny fikambanana.

5.3 – Ny fitantanana ny fananan’ny fikambanana dia hita soritra ao anatin’ny bokim-pitantanana  

5.4 –    Ny fanatanterahana ny tarigetra dia araky ny vola eo am-pelatanana ary ivelaran’ny fikambanana eo amin’ny asa iofanany.
Ny tanjona dia ny fiahiana ny Aina eo amin’ny lafiny rehetra mba aha-olombanona ny tsirairay.

 

 

 

Andininy faha-enina : Famaritana ny toerana misy ny sampana

6.1 –    Ny sampana dia mivelatra eran’ny Madagasikara.

6.2 –    Ny sampana dia azo lazaina fa sekoly manofana sy manome vahana ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny fiainany ary amin’ny fifandraisan’ny mpikambana.

6.3 –    Ny zoky am-panahin’ny sampana (PTR)
Isaky ny vondrona dia tsy maintsy manana ny atao hoe “zoky am-panahy”. Ny zoky am-panahy dia azo lazaina ihany koa hoe tompon’andraikitra sy vavolombelon’ny fisian’ny vondrona amin’ny toerana iray.
Toy izao ny anjara-toerany :

 

  • Manampy sy manoro hevitra ny mpikambana tsirairay,

  • Mizara ny traikefa-piainany amin’ny vondrona eo am-pijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy,

 

  • Mitarika ny vondrona hanampy sy hamaly ny antson’ny mpiara-belona,

  • Manampy ny tompon’andraikitra amin’ny fanomanana ny fivoriana sy ny asa isan-karazany,

 

  • Mandray anjara amin’ny fanentanana ny fivoriana.

 

Andininy faha-fito : Ny fivoriana

7.1 –   Ny fivorian’ny fikambanana nasionaly

- Ny fikambanana nasionaly dia mivory indray mandeha isan-taona isaky ny     
“lasin’ny ho avy”.

                                    - Mety hisy fihaonana tsy ara-potoana ataon’ny filohan’ny vondrom-paritra
araka izay ilana azy sy ny fandaharan’asa anatiny.

- Komity mpanatanteraka ny vondrom-paritra

7.2 –  Ny fivorian’ny sampana

- Isaky ny sampana dia mivory indray mandeha isaky ny herinandro mba      
hifampizarana ny vaovao sy hifampitaizana araky ny tanjon’ny fikambanana,

                                    - Mety hisy fihaonana tsy ara-potoana ataon’ny filoha araka ny fotoana ilana
izany sy ny fandaharan’asa anatiny,

- Mandritry ny fivoriam-be no hanaovana ny tatitra rehetra sy hanaovana ny    
fanovàna ny mpitantana rehefa tonga ny fotoana,

                                   - Ny Komity mpitantana kosa dia mivory araka izay ilana azy ka farafahakeliny       
in-telo isan-taona.

 

 

Andininy faha-valo : Fanovàna ny sata fototra

Faharavan’ny fikambanana
8.1 –    Ny filan-kevitry ny fikambanana no mahazo manova ity sata ity.
Amin’ny fivoriam-be atrehan’ny 2/3 ny mpikambana ao aminy,
ary ny fanapahan-kevitra noraisin’ny 2/3 ny mpivory no ahazoana manao izany.

8.2 –    Raha sanatria ka rava ny fikambanana dia atolotra manontolo izay fikambanana mitovy tarigetra aminy ny fananana sy vola sisa tavela.

8.3 –    Mety ho fivoriam-be tsy ara-potoana no hamerana ny andinindininy momba izany sy hanatanterahina azy.

8.4 – Ny fitsipika anaty ankatoavin’ny filankevitra nasionaly no mameno ity sata ity

bottom of page