top of page

TOKO XII : LOHARANO NIAVIAN’NY FITSIPI-PIAINANA

 

Tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra antsika (Jer 31, 15) ary maimaim-poana. Koa avy aminy ilay tsy miova omaly anio ary mandrakizay no loharano nijoroan’ity fitsipi-piainana ity izay tsy lavorary nefa mety hanampy.

            Andriamanitra no miasa fa isika fitaovana, samy tsinontsinona avokoa izay mamboly fa Andriamanitra no mpanondraka (I Kor 37, 8)

            “Fa tsara lavitra noho ny AINA ny fahasoavana ka hiventy fankalazana Anao ny molotro” (Sal 63, 4)

            Ny fanantenana dia iainan’ireo mpikambana amim-pitiavana sy am-pinoana mandritra ny asa fanompoana rehetra mba ho voninahitr’Andriamanitra satria ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy (Gal 5,6)

            Manolotra fisaorana manokana an’I Mgr Felix RAMANANARIVO, Eveka mpiahy sy Mompera Bernard BRIODE miandraikitra ny “Foyer de Charité” izahay tamin’ny famolavolana ity fitsipi-piainana ity.

 

“Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo” (Lk 12, 34)

“Koa andramo ary zahao ny hatsaram-pon’ny Tompo” (Sal 34, 9)

Ny finoana ny tenin’ny Tompo hoe : “Hataoko hafaliana ho ahy ny manao ny soa aminy ; koa amboleko marina tokoa amin’ity tany ity ireo amin’ny foko rehetra sy amin’ny fanahiko rehetra” (Jer 32, 41)

“Aza matahotra ry Siona, aza miraviravy tànana. Yaveh Andriamanitra eo aminao, mpamonjy mahery, ary izy haneho ny hafaliana lehibe noho ny aminy” (Sofina 3, 17).

 

Ho an’Andriamanitra ray Zanaka ary fanahy Masina irery anie ny haja sy ny voninahitra.

 

Azo amboarin’ireo tokan-trano mpanorina ity fitsipi-piainana ity rehefa atolotra amin’ny Eveka ka ekeny.

bottom of page