top of page

FITSIPIKA FOTOTRA SAMPANA MIAHY NY AINA SPV / SAHYA
Fehezin’ny lalàna 60 133 du 03/10/1960

 

Andininy voalohany : Ny fitsanganan’ny fikambanana

1.1 –    Natsangana eto Madagasikara ny fikambanana mitondra ny anarana hoe : Sampanana Miahy ny Aina (SAHYA), fikambanana ara-pinoana misahana asa fanabeazana fehezin’ny hitsivolana 60 133 tamin’ny 03/10/60.

1.2 –    Ny foibe toeran’ny Fikambanana dia ao amin’ny ESSCA Antanimena BP 7541, 101 Antananarivo.

1.3 –    Tsy voafetra ny faharetan’ny fikambanana, afa-tsy nohon’ny fandravana mialoha ataon’ny tompon’andraikitra mahefa.

 

Andininy faharoa : Tarigetra

2.1 –    Ny S.P.V dia manomana olona mijoro amin’ny maha izy azy, ka mifidy ny fiainana mendrika izay anjakan’ny fiaraha-monina mirindra ary miroso amin’ny fanitarana izany eo amin’ny manodidina azy mba hanatsarana ny fiaraha-monina.

Mba hanatanterahana izany tarigetram-piainana izany àry, ireo nisafidy ny hiara-dia, dia miezaka hatrany ny hiaina tanteraka araky ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly toko faha-2 ; andininy 42 - 47 : « Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra Â». 

2.2 -     Tsy manao politika, tsy manavaka (finoana, fihaviana) ny fikambanana
fa mikendry kosa ahamafy orina ny finoana an’Andriamanitra – ny fifankatiavana –
fifanampiana – fampandrosoana – fivelomana.

2.3 –    Ankoatr’ireo dia hezahana ny hanangana tsangam-bato ho an’ny sampana
amin’ny alalàn’ny fanorenana trano iombonana hampianarana sy hifampizarana fahalalàna (ara-panahy – ara-tsaina – ara-batana) mba tsy ampiahaka ny tanora beazina eo amin’ny fiaraha-monina.
Ny tanjona amin’izany dia mba hanana Tontolo Vaovao eo amin’ny lafiny rehetra.

2.4 –    Eo amin’ny lafiny fiaraha-monina dia hanentana sy hampianatra ny tanora hanana traik’efa eo amin’ny lafiny asa-tànana, eo amin’ny lafiny fiaraha-monina ary fifampifehezana mafy amin’ny fifampitokisana.

 

Andininy fahatelo: Ny mpikambana

3.1 –    Ny Sampana Mi-AHY ny Aina dia vondron’olona lahy sy vavy manana finiavana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra.
Mpikambana avy hatrany ireo miditra teo amin’ny fanombohana, nahafeno ireo    
mombamomba azy ary voamarina fa vonona hanaraka ny fepetra amin’ny tsy  
fitadiavana tombon-tsoa manokana.

3.2 –    Misy karatra maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsirairay.

3.3 –    Ny mpikambana miditra dia hiantohan’ny mpikambana izay nampiditra azy mba ho voafehy ny fitsipika hiainan’ny Sampana.
3.4 –    Misy taratasim-pirotsahana araka ny sokajiny avy izay fenoin’ny mpilatsaka ary mijanona ho antonta-taratasin’ny fikambanana.

3.5 –   Fandraisana ny Mpikambana vaovao :
- Azo raisina ho mpikambana ny olona manaiky ny tarigetran’ny Fikambanana
ary maneho ny finiavany handalina sy hampiatra izany eo amin’ny fiainany,

- Ireo efa mpikambana no manolotra sy miantoka ny olona vaovao manam-
paniriana hirotsaka ho mpikambana,

                                   - Ny fivorian’ny sampana no manapa-kevitra ny fandraisana azy tanteraka ao
aorian’ny sedra.

3.6 -     Ny adidy :
- Mijoro amin’ny finoana ny mpikambana ka miezaka mamantatra, mampihatra ary mandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny sori-dàlana avy any amin’ny foibe sy ny vondrom-paritra,

- Miezaka hatrany ny handalina ny finoana an’Andriamanitra ary hiaina izany eo amin’ny fanatanterahana ny tarigetran’ny fikambanana.

3.7 -   Ny Zo maha-mpikambana dia very noho ny :
- Fametraham-pialana,

                        - Fanalana ateraky ny tsy fanarahana ny tarigetran’ny fikambanana,

                        - Ny fivorian’ny sampana no manapa-kevitra ny fanalana ny mpikambana
aorian’ny fiarovan-tenany.

 

bottom of page