top of page

ANTONY NIFIDIANANA NY ANARANA VONDRONA

Indro arosonay etoana ny antony nifidiananay ny anarana SPV VONDRONA

 

VONDRONA

 

1. Teny ilazana fiombonan’olona maromaro manana tanjona ho tratrarina

 

2. Zava-maniry anaty honahona na tany mando na moron-drano. Zava-maniry manana ravina maro mitambatra eo amin’ny fototra iray. Maintso mandava-taona ny raviny raha mahazo tany mando izy. Zava-maniry tsotra nefa manan-danja eo amin’ny fiainan’ny olona na dia tsy voatrandraka loatra aza ny tena maha sarobidy azy : sakafo mamelona AINA, akora ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro.

Soa azo avy amin’ny vondrona

  • Anana : Ny vondrona tanora dia azo atao « légume Â» Manana tsiro tsara noho ny « aspèrge Â»

  • Lafarinina : ny fakan’ny vondrona na ny vodiny no marimarina  kokoa dia azo hanamboarana lafarina rehefa volana Jolay

  • Ovy : Io fakany (vodiny) io ihany dia mitovy tanteraka amin’ny ovy raha hanaovana sakafo (puré)

  • Voanio : Ny fakan’ny vondrona (vodiny) dia manana tsiro manakaiky ny tsiron’ny voanio

  • Satroka, harona, tsihy : Ny ravin’ny vondrona dia akora iray fandrary ahavitana karazan-javatra maro : tsihy, satroka, …

  • Kapok : Ny fony, ny voniny raha antitra tsara dia azo hanamboarana sesik’ondana na koa  « sac de couchage Â» Mitana hafanana tsara toy ny volom-borona

  • Ny laingony raha lohataona dia azo atao anana (legume) tsara

  • Ny voniny dia azo hanaovana fampihaingoina (Décoration)

 

Nofidiana ny anarana Vondrona satria :

  • Midika  ho Fiombonana : manamarika ny lohahevitry ny taona 2013-2014.

  • MITONDRA AINA  ho an’ny hafa ny tenany manontolo : maneho ny tanjona fototra fonosin’ny anarana « Sampana miAhy ny Aina Â»

Anaran-java-maniry : manohy ny fiombonana amin’ny Ekipa SPV SAHYA rehetra eto Madagascar

Ho famaranana dia indreto misy tonokalo roa nosoratan’i RAKOTOSON Tahiry Mampionina, tovolahy iray ao anatin’ny SPV VONDRONA anehoany ny hafaliany sy ny fireharehany manana ny Fikambanana SPV.

 

                                                           Sr M. Ernestine

 

MORAMANGA

Tamin’ny Lasy tany Moramanga taona 2011 no nahafantaranay ny Fikambanana SPV. Ny 12 Jolay 2014, niverina tany Moramanga izahay hitsidika ny tanana ary tapa-kevitra fa hanorina Ekipa SPV vaovao satria tsaroanay ny hafaliana nogohinay telo taona lasa izay.

 

 

  Mpanoratra : Tahiry Mampionina

bottom of page