top of page

NY TANORA EO ANOLOAN’NY Lanjan’ny fiainana

Dikan’ny finoanaAndriamanita,

vaovao mahafaly ho antsika.

Objectif : - Mieritreritra momba ny dikan’ny fiainana.
- Manentana ny tanora mba hitia, hanome lanja, sy hiaina tanteraka ny fiainany.

MIAINGA AMIN’NY FIAINANA ISIKA.

  • Equipe de 6 ou 7

  • Tantaran’ny lakana.

    • Misy olona (gp) ao ambonin’ny nosy tsy misy n’inona n’inona. Afaka andro vitsivitsy, lany ny vatsy. Nahavita lakana tsy omby afa-tsy olona iray izy ireo ka dia nifidy olona halefa hanavo-tena.

    • Ny tsirairay dia manazava amin’ny namany ny antony hiainany mba hanomezan’ny namany azy ny lakana.

    • Ireo voafidy ary dia manazava amin’ny rehetra ny antony nifidianan’ny namany azy.

    • Fintinina avy eo ny antony hiainana.

MITADY NY FAHAZAVANA ISIKA.

A – Inona ny antony hiainana?

Ny manontany ny dikan’ny fiainana dia manontany ny momba ny dikan’ny fisiana.
Ny fiainan’ny olombelona ve misy dikany? Inona? Ahoana ny fomba ahafantarana izany? Ho aiza isika? Aiza no hiantefan’ny zavatra ataontsika? Inona no dikan’ny fijaliana, fahafatesana?

            Azo fintinina amin’ny hoe: “Ilaina ve sa tsy ilaina ny miaina?” Tokony hamaly io fanontaniana io daholo ny olona rehetra.

            VICTOR FRANKL: psychologue
Ny tena manna-danja dia tsy ny hoe dikan’ny fiainana amin’ny teny fotsiny fa ny dikany eo amin’ny fiainanao (concrete). Ny olona tsirairay dia manana iraka tokony ho tanterahiny,ary ny tsirairay dia tokony hamita izany. Tsy azo soloina isika amin’izany iraka izany. Tsy miverina koa ny fiainantsika (tsy misy reincarnation). Ny asantsika dia tokana mitovy amin’ny hoe tokana ny fahafahantsika miaina. Raha manontany olona iray isika amin’ny fiainany dia izy irey ihany no afaka mamaly izany amin’ny famaliana amin’ny fiainany. Raha tsy tompon’andraikitra amin’ny fiainantsika isika dia tsy afaka miatrika izany.

B – Rehefa tsy misy antony ny fiainana.

Mampalahelo fa misy ny tanora tsy mahalala ny antony hiainany. Izy iero dia tsy manana ideally, tanjona. Mandany andro amin’ny tsy misy dikany izy. Rehefa tsapany ary fa tsy misy ilana azy ny fiainany dia eo no tonga ny fahakiviana. Misy mihintsy aza ny mamono tena.

C – Rehefa voafitaka eo amin’ny fiainany.

  • Miaina mba hilalao.

Maro ny tanora mino fa ny fiainana dia kilalao fotsiny amin’ny fitadiavana fialamboly sy fanalana andro rehetra.
“Mandalo ny fiainana, ka araraoty dieny mbola tanora sy salama”
“Mihinana sy misotroa fa rahampitso mety ho faty”

            Io karazana fiainana io dia nanentana antsika hiaina ao anaty « Société de consommation » Araraoty ny fiainana mba hanomezana ny fahafaham-po ny vatana amin’ny fotoana rehetra. Tsy miaina afa-tsy ny fotoana eo. Ny tena atao dia ny miaina tsara (manome fahafaham-po ny vatana) amin’ny fisotroana, fandihizana, fifohana, fidorohana zava-mahadomelina, …

  • Miaina mba hanan-karena

Misy koa ny tanora mino fa hoe ny miaina dia hoe manana vola, trano tsara be, fiara, akanjo tsara,… Io no fihevitry ny olona amin’izao fotoana izao. “Vola no maha-rangahy”

  • Miaina mba hanam-pahefana sy hanandaza.

Misy ny olona manome lanja lehibe ny fahefana sy ny laza.
Ohatra: tanora te ho champion.
Misy ny olona te halaza sy te hanana toerana tsara eo amin’ny fiaraha-monina. Manana fahefana noho ny fananany.

D – Jesoa Kristy sy ny dikan’ny fiainana.

Vola, laza, fahefana dia mandalo daholo, tsy mamela afa-tsy nofinofy sy fahabangana satria tsy mameno ny fon’ny olona izy.
Mba hanan-danja ny fiainana dia tokony hiady zavatra maharitra, mateza.

Jean –Paul II “Kristy; ry tanora dia ilay olona tokana mahay mamaly ny fanontaniana momba ny dikan’ny fiainana. Izy no niteny hoe ny dikan’ny fiainana dia ao amin’ny fitiavana. Izay mahay manadino ny tenany mba hanolotra ny tenany ho an’ny rahalahiany no manantanteraka hatramin’ny farany ny tena fiainana ary maneho amin’ny fahafenoana ny lanjan’ny fiainana;”

  • Miaina mba hitia=Miaina ho an’ny hafa.

            Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiainany dia mampianatra antsika lanja ny fiainana. Nosoloiny ho fifampizarana ny fananana. Navadiny ho fifanapiana ny fahefana, fifankatiavana ny filalaovana (jouissance)
Jesoa Kristy dia milaza fa ny fiainana dia natao hitiavana.
Inona no didy lehibe indrindra? Marc 12, 29-31
Io fitiavana io dia miseho amin’ny fifanampiana Mat 20, 28
Ny fiainany dia hoe: Manampy ny hafa hatramin’ny fahafoizana ny ainy.
Ny dikjan’ny fiainan’I Jesoa dia miaina ho an’ny hafa indrindra ho an’ny marary, mahantra, mpanonta.
Manolotra ny ainy ho an’ny hafa, miaina ho an’ny hafa, izany ny fiainan’I Jesoa.

E – Hiaino tanteraka ny fiainanao.

Ny fiainana dia valisoa nomen’Andriamanitra antsika. Tiany hiaina tanteraka isika. Ireto ary misy hevitra azo atao mba hiainana.

  • Fidio ny hiaina, asehoy ny maha-anao anao, mianara ho protagoniste ny fiainanao

  • Hiaino ny fiainanao satria tokana ary tsy azo averina.

  • Lanio amin’ny fiainanao ny herinao, ny fahaizanao.

  • Sahia amin’ny fiainana amin’ny zavatra manandanja: Andriamanitra, finoana, fifankatiavana, fahamarinana, firaisankina.

  • Manana fahazotoana mba hiatrehana ny olana sy tsy hahakivy.

  • Ataovy manaraka “regime”-na hevitra tsara ny sainao.

  • Mandraisa andraikitra ary ataovy tsara ny adidinao.

  • Aza manaraka izay lazain’ny olona n any fihetsiky ny olona.

  • Ario ny “Complèxe d’inferiorité”.

  • Hiaino amin’ny fonao ny finoanao an’I Jesoa Kristy.

HIFANOME TOKY ISIKA

Gp : Inona no mety hataontsika mba hiainana tanteraka ny fiainantsika?
Prs : Inona no lafim-piainako tokony hampivelarina bebe kokoa?
Inona no zavatra tokony hovako mba hanitsiko ny fiainako?

VAVAKA.
A – Dynamique
Manana iray volana isika sisa hiainana, Inona ary no hataontsika? Iza avy no vangiantsika?
Soratana ao anaty taratasy
Temoignage (raha misy)

B – Mt 25, 14-30       

Talenta=35 kg d’or
- Talenta=fahaizana, valeur izay nomen’Andriamanitra
- Mpanome=Andriamanitra.
- Mpanompo=Isika.
Misy toetra roa eto : alevina na ampiasaina.
- Manome ohatra rehefa mandevina na mampiasa.

C – Prière : Ranombavaka.

D – Chanson : «  Un jour à la fois ».

bottom of page