top of page

TOKO VIII : IREO OLOMASINA MPIARO NY FIKAMBANANA

 

1)Md Josefa : Lehilahy marina (Mat 1, 19)

Ray be finoana sy fitiavana miahy ny fianakaviana masina. Maantanteraka ny tenin’ Andriamanitra.

Aza matahotra ny hampakatra an’I Maria ho vadinao (Mt 1,20)

Mifohaza, ianao ento ny zazakely sy ny reniny ary mandosira any Ejipta (Mt 2, 13)

Mifohaza modia any amin’ny tanin’ny Israely (Mt 2,20)

Nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy na dia sarotra azan y manantanteraka izany.

 

2)Victoire Rasoamanarivo : olon-tsambatra

Ohatra amin’ny finoany, fitiavam-bavaka, fanajana an’I Masina Maria, fanajana ny toka-tranony hatramin’ny farany.

 

3)Md Richard Mpampur : Relijiozy sady mpitsabo

Nanompo amim-pitiavana ireo marary notsaboiny

Fitiavany an’I Masina Maria izay antsoiny hoe “Renin’ny Lanitra”

Fanolorany tena amin’I Jesoa maty teo ambonin’ny hazofijaliana

Izay atao amim-pitiavana dia lehibe eo anatrehan’Andriamanitra na dia manadio trano aza

Fiaim-piainany:

Tsy nangataka na inona na inona, ary faly amin’ny zava-drehetra

Raha vao vita mariazy izy no mpiaro ny fianakaviana

 

4)Terezin’I Jesoa zazakely : Mpiaro ny misiona

Fahatsapany ny herin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’I Jesoa zazakely. Tonga hafaliana ny maha-zaza; ny fijaliana ho famonjena ny mpanota mba hihaona amin’ny Tompo tia sy manantena ny fitiavana na dia ao anatin’ny fitsapana sy fahoriana aza (Fil 2, 7-8)

Fahaizana manolotra amim-pitiavana ny asa farany izay tsotra

Ny mpikambana dia manaiky ho iraka amin’ny asa fanompoana sy fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra.

 

5)Md François d’Assise

Fandaozany ny haren’izao tontolo izao. Fitiavany ny fahantrana am-panahy sy fahatokisany tanteraka an’Andriamanitra, ny fihavanany amin’ny zavaboahary, tamin’ny fetiny no nanaovana batemy an’I Rivoniaina sy nakany ny anarany: François d’Assise

bottom of page