top of page

SPV VONDRONA AMBOHIMIRARY – ANTANANARIVO

 

TANTARA

Tamin’ny taona 2011 dia nilasy niaraka tamin’ny SPV tany Moramanga ireo ankizy 12 avy ao amin’ny faritra Ambohimirary.

Tsy lefy tao am-pon’izy ireo ny akon’io lasy io ka efa hatramin’io taona io izy ireo no nangataka hanorina Ekipa vaovao.

Na inona na inona lalana diavina dia mila sedraina mba ho matotra. Nataoko toy ny tsy nisy ny fangatahan’izy ireo nandritra ny fotoana maromaro, saingy tsy sasatra ny niangavy izy ireo. Teo anatrehan’izany fiangaviana izany indrindra dia nangataka tamiko ny Lehibem-pikambanana misy ahy mba hamondrona azy ireo hanohy ny fanabeazana na dia tsy hiditra tanteraka ao amin’ny SPV aza.

            Teo anatrehan’ireo fiangaviana roa ireo dia tsy hitako intsony ny ilana ny fandavana ka dia nanaiky aho ny hitantana ireo ankizy (izay efa tanora amin’izao fa tsy ankizy intsony). Nisy 8 mianadahy ireo vonona ny hiroso.

            Tsapako fa anisan’ny mankafy ny tontolo iainana ny maro amin’izy ireo ka dia nentiko niverina tany Moramanga, ny 12 Jolay 2014, mba higoka ny hatsaran’ny zava-boary misy ao amin’ny « EKAR Toeram-Pitsaboana Olontsambatra Anna Michelotti Â» toerana nilasiana tamin’ny taona 2011.

 

 

DATY NIORENAN’NY EKIPA VONDRONA

Araka ny tantara voalaza eo ambony dia ny Sabotsy 12 Jolay 2014 no daty niorenan’ny Ekipa Vondrona.

 

 

bottom of page