top of page

Andininy faha-efatra : Fandaminana sy andraikitra

4.1 –    Toy izao avy ny rafi-pandaminana  eo anivon’ny fikambanana:
Ny filoha nasionaly izay eken’ny foiben’ny sampana eran-tany
Ny filoha lefitra nasionaly
Ny Personne Témoin Réssource (PTR)
Ny filan-kevitra nasionaly
Ny mpanatanteraka nasionaly
Ny sampana SPV rehetra ao amin’ny fikambanana

4.2 –    Toy izao ny andraikitra :
Ny filoha nasionaly
- Miara miasa mivantana amin’ny PTR
- Mampanofana ireo olona mpanatanteraka ao amin’ny faritra
- Miantoka ny fanatanterahana ny tanjona
- Miantoka ny firaisan-kinan’ny mpikambana rehetra
- Manome hery sy manohana ny vondrona rehetra
- Miantoka ny fifandraisana eo amin’ny vondrona amin’ny alalan’ny tatitra sy ny  fiahiana  ny zavatra ilain’ny vondrona
- Manatanteraka ny fanentanana ny mpanolon-tsainan’ny vondrona  
sy ny mpikatroka rehetra.

 

Ny Filoha Lefitra nasionaly
- Mandray andraikitra mivantana amin’ny tsy maha eo ny filoha

                        - Manara-maso miaraka amin’ny filoha amin’ny fampandehanan-draharaha

 

            Ny PTR nasionaly
- Izy ireo no Ray aman-dreny mifehy ny Vondrona sy ny Sampana tsirairay

                        - Manara maso ny fanajana sy ny fanatanterahina ny sata mifehy ny
fikambanana

                        - Filan-kevitry ny mpanatanteraka

 

            Ny filan-kevitra nasionaly

Rafitra manohana ny filohan’ny vondrom-paritra amin’ny fanentanana sy  
fitantanana ny vondrona,

- Miara-miasa amin’ny filohan’ny vondrom-paritra izy ireo amin’ny :

  • Famaritana ny sori-dalan’ny vondrom-paritra mifanaraka amin’ny tanjona, ny laharam-pahamehana, sy ny fomba ho enti-manatanteraka izay naroson’ny fivoriam-ben’ny foibe,

  • Fiaraha-mandalina ny vinavinan’asan’ny SAHYA amin’ny alalan’ny fanovozan-kery (fiofanana)voakaly,

 

  • Fizarana, fandalinana, fandrindrana ary fanentanana ny sampana tsirairay,

  • Fanaovana tomban’ezakin’ny vondrom-paritra.

 

            Ny mpanatanteraka nasionaly
- Mikatsaka ny fampandrosoana ny Fikambanana 

                                   - Manao tatitra ny asa vita ary manolotra vinavinan’asa ho atao

                                    - Miara manapa-kevitra amin’ny PTR amin’ny vinavinan’asa ho atao

Ny miara-miasa amin’ny komity Mpitantana eto Madagasikara dia ny foiben’ny Sampana eran-tany (Service de Préparation à la Vie 10 215, avenue du Sacré-Coeur, Montréal QC H2C 2S6

            Ny sampana SPV rehetra ao amin’ny fikambanana
- Manatanteraka ny asa izay atolotry ny birao

                        - Manaja ny fitsipi-pifehezana rehetra mifehy ny Sampana

                        - Mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fikambanana

 

4.3 – Toy izao ny firafitry ny Komity mpitantana ao amin’ny sampana iray
Filoha mpitarika,
Filoha lefitra,
Mpitan-tsoratra,
Mpitam-bola,
Mpitana bokim-bola
Mpanolon-tsaina : ny mpikambana rehetra
Zoky am-panahy (PTR)
Ny fivoriam-be no manendry ny Komity mpitantana tsirairay afa-tsy ny Zoky am-panahy.

 

4.4 –    Ny fitsipika anaty nankatoavin’ny Filan-kevitra nasionaly no mamaritra ny fananganana sy ny fomba fiasan’ny ambaratonga ao amin’ny fikambanana,

4.5 –    Roa taona no hiasan’ireo mpikambana ao amin’ny Komity Mpitantana ireo. Tsy azo fidiana mihoatra ny indroa misesy ny mpikambana ao amin’ny Komity naha-tapitra ny fe-potoana niasany.

 

4.6 –    Raha misy tsy maha-eo ny filoha dia mandray andraikitra manontolo ny lefitra.

 

bottom of page